1 Taminizany andro izany dia nomeni Ahasoerosy mpanjaka ho ani Estera, vadinny mpanjaka, ny tranoni Hamana, fahavalonny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehanny mpanjaka, fa efa voalazani Estera fa rainy izy.

2 Ary nesorinny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamini Hamana, ka nomeny ani Mordekay. Ary Mordekay dia notendreni Estera hanapaka ny tranoni Hamana.

3 Dia niteny teo anatrehanny mpanjaka indray Estera sady niankohoka taminny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataoni Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.

4 Ary ny mpanjaka nanondro ani Estera taminny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehanny mpanjaka

5 Ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, Ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataonny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitri Hamana, zanaki Hamedota Agagita, ireny, izay nosoratany hampandringana ny Jiosy aminny isan-tokony eranny fanjakanny mpanjaka;

6 fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko ? Ary ataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako ?

7 Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamini Estera, vadinny mpanjaka, sy tamini Mordekay Jiosy: Indro, ny tranoni Hamana efa nomeko ani Estera, Ary izy dia efa nahantona taminny hazo, satria naninjitra ny tnany hamely ny Jiosy;

8 Ary hianareo kosa dia manorata aminny anaranny mpanjaka araka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy aminny peratra fanombohanny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra taminny anaranny mpanjaka sy efa voatomboka taminny peratra fanombohanny mpanjaka.

9 Dia nantsoina taminizay ny mpanoratry ny mpanjaka, taminny andro fahatelo amby roa-polo taminny volana fahatelo (volana Sivana izany); Ary nosoratana araka izay rehetra nandidiani Mordekay izany ho any aminny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy governora Ary ny mpanapaka aminny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, Ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, Ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.

10 Ary nanoratra taratasy taminny anarani Ahasoerosy manjaka izy ka notombohiny taminny peratra fanombohanny mpanjaka, Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-toavaly sy soavaly haingam-pandeha Ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;

11 ka ny Jiosy izay teny aminny isan-tanna dia navelanny mpanjaka hivory hiaro ny ainy Ary handringana sy hamono ka handripaka ny herinny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbaminny vady aman-janakireny Ary handroba ny fananany

12 aminny andro iray ihany any aminny isan-tokony eranny fanjakani Ahasoerosy mpanjaka, dia aminny andro fahatelo ambinny folo aminny volana faharoa ambinny folo (volana Adara izany).

13 Ny kopenny teny natao didy ho aminny isan-tokony eranny fanjakana dia nantsoina taminny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho aminizany andro izany hamaliany ny fahavalony.

14 Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka hohafainganina sy nododonanny teninny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalna.

15 Ary taminny nialani Mordekay teo anatrehanny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satroboninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; Ary faly sy ravo ny tanna Sosana.

16 Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana Ary voninahitra.

17 Ary teo aminny isan-tokony eranny fanjakana sy teny an-tanna rehetra izay nahatongavanny didinny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.
